Imprimer



Ambioka mandry an-tsompitra = Des semences restées au grenier

nalaina tao amin’boky [extraits de l’ouvrage]

Ny fokonolona araka ny kabary nataon’ny Kôlônely Ratsimandrava Richard eran’ny Nosy 1973-1975

Dikanteny frantsay : Rabenoro Mireille

ho fahatsiarovana ny faha-78 nahaterahany, 21 marsa 2009.


Tany Marovoay

Raha miteny isika hoe « ho ela velona ny Tanindrazana ! » Inona no dikan’izany ? Ity tany ity ve no ho ela  velona ? Io anie efa teo hatry ny ela ary tsy hihetsika eo io... fa ny maha ela velona ny Tanindrazana, dia satria misy fara aman-dimby, solofo dimbin’ny ala ao, izay ho velona soa aman-tsara amin’ilay tanindrazana, hanome voninahitra ny razany nipoirany noho ny asa tsara izay nataony. Izany no maha ela velona ny Tanindrazana, fa tsy dia hoe ela velona ny Tanindrazana dia ho ela velona io vovoka io.

Io vovoka io dia zava-misy io ary tsy ho foana io. Raha misy mahafoana an’io ; ovanao toerana angaha izy nefa tsy ho foana. Raha miteny isika hoe « ho ela velona ny Tanindrazana » dia midika izany fa : ho maro fara aman-dimby isika, tsy hisy farany ny taranantsika. Ka ireo ny tsy maintsy tsinjovintsika, ho an’ireo no tsy maintsy hiarahantsika miasa.


Quand on dit : Vive la patrie ! , que veut-on dire ? Parlons-nous de la terre ? La terre est là depuis toujours, et ne bougera pas de là... Ce qui donne vie à la patrie, c’est notre descendance, les jeunes qui y vivent, et qui vivront dans cette patrie, pour faire honneur à leurs ancêtres par les actions justes qu’ils auront accomplies. C’est ainsi que vit la patrie ; quand on souhaite longue vie à la patrie, ce n’est pas à la terre poussiéreuse qu’on s’adresse.

La terre est présente, et pour toujours. On peut déplacer un peu de terre, mais elle ne disparaîtra jamais. Quand on dit : Vive la patrie, on souhaite que notre descendance soit nombreuse ; qu’elle se perpétue à jamais. C’est à eux que nous devons penser, c’est pour eux que nous devons conjuguer nos efforts.


Tany Fandriana


Isika rehetra dia samy manana anjara, samy afaka hiasa, amin’ny fampivoarana ny firenena. Ny tsy maintsy heverina anefa amin’izany dia izao : ny fandraisana anjara amin’ny fanapahan-kevitra lehibe toy izany, dia ilàna fivondronana, firaisan-kina. Amintsika Malagasy manko, tsy misy zava-dehibe indrindra toy ny hoe fihavanana. Ny fihavanana, izany no maha Malagasy antsika, saingy simba tamin’ireny ady politika isan-karazany, izay nampidirina teto amintsika ireny. Koa ao anatin’ny Fokonolona, rehefa hifampidinika isika, hihevitra izay mahasoa, hihevitra izay dina ifanaovana, dia mety hisy ny hevitra tsy mitovy. Ny olona rehetra tsy voatery hoe ho iray hevitra daholo. Kanefa, amin’izany, dia tsy maintsy misy ny fifanajana, tsy maintsy misy ny fampisehoana izany hoe fihavanana. Ary ny zavatra izay hatao dia tsy maintsy mba handraisana ny hevitry ny olon-drehetra, fa tsy dia hoe Ra-Anona ihany no tompon-kevitra, ka hampijoro ny hambom-pony izy satria tsy hoekeny raha tsy io heviny irery io ihany no ho lany eo. Raha izay no hatao, dia voahitsakitsika ilay fihavanana, ka tsy hisy ny fahombiazana. Amin’ny lafiny anankiray, dia hahomby izany. Fa rehefa mitohy tsikelikely, amin’ny farany, dia ho rava ny fihavanana, dia ho ady saritaka, ary tsy hisy intsony ny fandrosoana, fa fihemorana no ho hitan’ny firenena. Ka noho izany, dia manantitrantitra aminareo aho, amin’izao fotoana hijoroan’ny Fokonolona izao. Amin’izao fotoana hanombohanareo handinika ny dina hifanaovana izao, mba hitsinjo indrindra izany fihavanana nentim-paharazantsika izany, fa izany no fahendrentsika Malagasy, ary ataoko fa tsy mampianatra zava-baovao anareo aho raha milaza izany.


 Tous nous aurons notre rôle à jouer, tous nous pourrons œuvrer au développement national. Cependant, il faut tenir compte de l’importance de l’unité, de la solidarité, de la participation à la prise de grandes décisions. Pour nous Malgaches en effet, il n’y a pas plus important que le fihavanana. Le fihavanana est ce qui fait notre identité, mais il a été perverti par les conflits politiques qui ont été introduits chez nous. Au sein du Fokonolona, au cours des concertations visant à l’intérêt commun, à établir un dina, il se peut qu’il y ait divergences d’idées. Les gens ne peuvent pas tous être du même avis. Mais que cela n’empêche pas le respect mutuel, il faut faire preuve de fihavanana. Il faut prendre les avis de tous ; il ne faut pas qu’untel ait une idée propre, qu’il cherchera à imposer envers et contre tous. Dans ce cas en effet, le fihavanana serait foulé aux pieds, et les objectifs ne seraient pas atteints. Par certains côtés, il se peut que ça marche dans un  premier temps. Mais à la longue, il y aurait rupture de fihavanana, ce serait le chaos, il n’y aurait plus de progrès, mais recul au niveau de la nation. C’est pourquoi, je ne me lasserai pas de répéter, à l’heure où nous mettons les Fokonolona en place, où vous commencez à étudier les dina à instituer, qu’il faut veiller au respect du fihavanana traditionnel, car c’est là que réside la sagesse malgache, je ne vous apprends rien en vous le disant.


Tany Moramanga


Ary ny zavatra angatahiko aminareo dia aoka isika rehetra samy hanana izany fahatsiarovan-tena izany, samy hieritreritra any amin’ny toerana misy antsika rehetra any ka isika no hiambina ity tanindrazantsika ity. Fa na ny lala-masinina na ny arabe na ny trano fanaovan-javatra isan-karazany ireny, na dia hoe kapitaly vahiny aza no ao dia tombontsoa ho antsika ny tsy hahasimba an’ireny. Tsy maintsy miambina daholo isika, amin’ny olon-drehetra manan-kevitra hanimba zavatra eto amintsika na amin’ny fanakorontanana mivantana izany, na amin’ny fanimban-javatra izany. Fa ny zavatra kely simba dia mampiato ny asa sy ny famokarana. Izany dia efa fanapoizina ny fiainan’ity firenena ity. Dia ho azontsika ekena ve izao ny hoe eto Madagasikara tsy misy afokasoka nefa eto misy fanaovana afokasoka ? Hoekentsika ve fa hoe tsy hisy siramamy indray nefa misy fanaovan-tsiramamy ?


Je demanderais à chacun d’entre vous de prendre conscience de cet état de choses, de manière à ce que chacun d’entre nous, où que nous vivions, protège notre patrie. Il est dans notre intérêt de préserver les chemins de fer, les routes, les usines, même si ce sont des capitaux étrangers qui y sont investis. Tous, nous devons les surveiller, les protéger contre les malfaiteurs qui voudraient semer la destruction, soit en fomentant directement des troubles, soit en sabotant des infrastructures. En effet, le moindre dégât est cause de cessation d’activité et d’arrêt de la production. C’est une manière d’empoisonner la vie de ce pays. Est-il tolérable qu’on ne trouve plus d’allumettes sur le marché, alors que nous en fabriquons ? Est-il tolérable que le sucre soit introuvable, alors qu’il existe des usines sucrières ?


Tany Marovoay


Ny asam-pokonolona anie tsy ho asa an-teritery ; tsy mety ho an-teritery ny asan’ny fokonolona satria izao : ny fivoriambem-pokonolona no hanapa-kevitra amin’izany zavatra izany. Raha zavatra ataonareo an-tsitrapo hiheveranareo na hitsinjovanareo ny hoavin’ireo taranakareo dia ataoko fa tsy asa an-terivozona velively izany, fa ny fampielezana izany hevitra izany, ho asa an-terivozona no ataoko hoe isan’ny famadihana tanindrazana mihitsy, satria atao fotsiny hanimba ny saim-bahoaka, atao fotsiny mba hisakanana azy eo am-panatanterahana ny adidy miaraka amin’ny mpiara-belona aminy. Toy ny olona hoe hisakana ny olona anankiray handeha hikarama, hamelom-bady aman-janaka no dikan’izany ; izany no tena fandehany. Ka aoka isika hitandrina amin’ireny olona mpampiely tsaho ireny, fa ny adidy miandry antsika amin’izao fotoana izao be dia be. Ary izany no hanangananay ilay hoe Fokonolona, afaka hiara-miasa isika amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Izany izao dia lazaiko fa fiarovan-tanindrazana. Tokony handray anjara amin’izany fiarovan-tanindrazana izany daholo isika rehetra. Tsy avela ho karamain’ny mpanam-bola ny sasantsasany eto amintsika, ary lasa hanao izany zavatra mamoa-fady izany ka tsy hahatsapa velively izy fa izany zavatra izany ange dia loza ho an’ity firenena ity. Amin’izao fotoana izao, dia tsy maintsy mahatsapa an’izany zavatra rehetra izany isika, hiaro ity tanindrazantsika ity. Misy izany fiarovana nolazaiko anareo izany, fa ny fiarovana azy koa mety amin’ny endriky ny asa izay ataontsika ho famokarana amin’ity tany ity.


Les travaux du Fokonolona ne sont pas des travaux forcés ; il est inconcevable que les travaux du Fokonolona soient des travaux  forcés, parce que c’est en assemblée générale du Fokonolona que ce genre de décision sera prise. S’il s’agit de travaux que vous entreprenez de plein gré, dans l’intérêt de vos enfants, on ne peut pas parler de travaux forcés ; mais ceux qui répandent cette idée, que les travaux du Fokonolona sont des travaux forcés, eux sont des traîtres à la patrie, parce qu’ils ne visent qu’à semer le trouble dans les esprits, à empêcher les gens d’assumer leurs devoirs sociaux. C’est comme s’ils voulaient empêcher une personne d’aller travailler, pour subvenir aux besoins de sa famille.

Soyez donc vigilants par rapport à ces personnes malintentionnées, car les responsabilités qui nous attendeent actuellement sont importantes. Et c’est pour cela que nous mettons en place les Fokonolona, afin que nous puissions coopérer dans tous les domaines. Pour moi, c’est la défense nationale. Nous devons tous participer à cette défense nationale. On ne laissera pas les riches recruter des gens pour entreprendre des actes de sabotage, sans avoir conscience de ce que leurs actes sont lourds de conséquences désastreuses pour notre pays. Nous devons prendre conscience de tout cela, pour défendre la patrie. C’est là un aspect de la défense nationale ; mais un autre moyen de défendre la patrie, c’est d’assurer le travail de production.


Tany Fandriana


Rehefa tena hanao zavatra mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, dia tsy maintsy misy ny teny miakatra, tsy maintsy misy ny teny midina. Dia izay no atao hoe fifanakalozan-kevitra. Fifanakalozan-kevitra tsy hanaovana bontolo hoe izao no hevitro ka tsy maintsy tanterahina. Tsy misy tian-kano, tsy tian-kano, fa samy manana ny azy, samy milaza hoe izao ange no mety amin’ity raharaha ity. Ary eo no ahitana mazava tsara ny marimaritra iraisina. Amin’izao fotoana izao isika dia mijoro amin’ny hoe fifanakalozan-kevitra. Tsy misy hoe teny miakatra fotsiny, na teny midina fotsiny, fa ny fihaonantsika, ny fifanatonantsika, izay no zava-kendrena, ary izany no nanaovana izao rafi-pitondrana izao, hahafahantsika mifanatona, hahafahantsika miara-miasa. Izany no tarigetra amin’izao fotoana izao, fototra iorenan’ity fokonolona ity.


Maintenant que nous devons entreprendre des actions conformes à la Constitution, il faut qu’il y ait à la fois directives d’en haut et avis exprimés par la base. C’est cela, l’échange d’idées. La concertation, ce n’est pas chercher à imposer son avis. Rien n’est imposé, chacun a ses idées, chacun s’exprime sur ce qu’il pense être de la meilleure manière de procéder. Et c’est de là qu’émerge la plateforme commune. Nous avons adopté la concertation pour principe. Les avis ne circulent pas à sens unique, nous devons nous rencontrer, nous rapprocher, c’est le but de ces nouvelles structures de gouvernance : qu’elles nous permettent de nous rapprocher, de coopérer. C’est l’objectif actuel, sur lequel repose la mise en place des Fokonolona.