Blue Flower

Dernières publications (mars 2011)

Fahatsiarovana ny faha-80 nahaterahany

21 marsa 1931 - 21 marsa 2011

Lohahevitra mitondra ny hetsika :
« Diotaona ! Diofanahy ! »
« Fandio taona miandra majihy »

Fiaingana hanadio sy hanajihy fiarahamonina :

« Fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka tsy ny indray mandeha maty vary no handevenan-tsotrobe na ny arivo solafaka no tsy hiarenana fa mila fiarenana ny tena mila fandio ny tany mba ho fananganam-pirenena »

Fandio hoenti-miatrika ny fahantran-tsaina manafotra antsika Fandio hoenti-manasina indray ny tontolo novetaina



FANDAMINANA

Fanasana alatsinainy 21 marsa 2011 @ 10:00 ora :

Velakevitra : “Diabe Alaolana” atolotry ny Dr Ramahatra Roland, ravahana fandefasana sary

Fanolorana boky 3 :

“Iza no namono ny Kolonely Ratsimandrava”

“Tapaporohana sisa tsy may”

“Restructuration du monde rural

> > > hijery ny fanasana


Fanasana zoma 18 marsa 2011 @ 3:00 ora tolakandro : Fanokafana ny Fampirantiana

Nomanin’ny Mpanakanto ato amin’ny Tahala Rarihasina. Atolotr’i Hemerson noho ny Faha-80 taona nahaterahan’ny Kolonely Ratsimandrava Richard


> > > hijery ny fanasana


Fandaharam-potoana 17 marsa 2011 - 28 marsa 2011


> > > hijery ny votoaty


Fotokevitra ho fampiorenana, Andro iray hanandratra kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy


> > > hijery ny votoaty


Antso fanangonana Voambolana

Repoblikan’i Madagasikara

Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana

AKADEMIA MALAGASY

Foibe momba ny teny

Antso fanangonana Voambolana

Ao anatin’ny hetsika :

« Fampiorenana

Andro iray hanandratra kolontsaina

mampakatra avo ny firenena malagasy »,

ny Komity mpiandraikitra an’io hetsika io dia manainga ny besinimaro hifarimbona
amin’ny fanangonana voambolana sy fombam-pitenenana momba ny :

« Fampiorenana

« Dio », « Fanjihy », « Hasina »,

« Fanahy » ary « Tsangambato ».


Ny voambolana voaangona dia hanatevenana ny antontan-kevitra hoenti-manorina an’io
Andro iray hanandratra kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy io, sady
ho Andro iraisana ho firavoravoana izay hantsoina hoe :

« Diotaona ! Diofanahy ! »

« Fandio taona miandra majihy ».

Ny voambolana voaangonao dia azo aterina ao amin’ny :


Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy, Tahala Rarihasina, rihana faha-2,
na alefa amin’ny adiresy mailaka : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
alohan’ny Alatsinainy 28 Marsa 2011.


Ampombaina an’ity Antso ity ny Fotokevitra ho fampiorenana Andro iray hanandratra
kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy sy ny fandaharam-potoana ho amin’ity
taona 2011 ity.

Mankasitraka sahady ny ho firotsahana an-tsehatry ny isam-batanolona no mirary ny
Malagasy rehetra hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny
fanandratana ny kolontsaina mampakatra avo ny firenena malagasy, satria ny tao
trano tsy efan’ny irery.


Ny Komity mpiandraikitra ny hetsika